Ny Taom-baovao sy ny alahamady ary ny alahamady be dia samy voasokajy ho ao anatin'ny kolon-tsaina malagasy. Raha fomba sy riba no misongadina kokoa amin'ny Taom-baovao sy alahamady dia ahitàna finoana kokoa ny alahamady be satria misy vavaka sy fangatahana amin'ireo manana ny satan'ny Razana, Zanahary ; ankoatra ireo taranaka andriana mpandala sy mpanamarika ity fotoana ity dia fotoana hihaonan'ireo mpanazary manerana ny nosy amin'ny toerana voafaritra ihany koa io mba hanatanterahana fomba maro samihafa sy hifanakalozana traik'efa sy fahalalana mba entina hanasoavana ny vahoaka indray amin'ny taona hodiavina. Volana avrily no fotoana matetika fanamarihana ny alahamady be...
Diso ny fiheverana fa ny fanalan-jaza no antoka hasalama ny vehivavy iray mitondra vohoka lazaina fa tsy salama ; tsy vokatry ny fisian'ny zaza ao an-kibon-dreny ny tsy fahasalaman'ny vehivavy mitondra vohoka fa avy amin'ny aretina hafa. Maro anefa ny reny no sahy manao sorona ny any ho an'ny zanany, aleony izy no maty toy izay ilay zaza entiny ao am-bohoka. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
♦ Notanterahana ny 15 hatramin'ny 17 marsa 2024, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ireo Ekipan'ny Rôzery Nasiônaly, mba hanentana ireo mpikambana any an-toerana... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François d'Assise Antanandava, ny fankalazana ny Alahadin'ny Fijalian'ny Tompo, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina...
Ny Sakramenta fanosorana ny marary dia Sakramenta natao mba hahasoa ny fanahy sy ny vatan'ny marary ary ahazoana fahasitrahana ; mankahery ny marary amin'ny fahosan'ny fanahy, ny saina ary ny sitrapo, ary manafaka.ny fahotana sy ny sazim-pahotana. Adidin'ny Pretra manome ny sakramenta fanosorana ny marary no manome ny indolizansy ny marary, indrindra ho an'ireo marary ambavahoana. Ny indolizansy dia famelana omen'ny Eglizy ivelan'ny konfesy ka manafaka ny sazim-pahotana misy fetra, valin'ny hota efa navela. Ny indolinzansy dia misy roa : manontolo sy ny tsy manontolo izany hoe manafaka fahotana sy sazim-pahontana voafetra...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco