♦ Notendren’i Mgr Georges Varkey, Evekan’i Port-Berger, ho Vikera Jeneraly, i P. Ravelomalaza Jacques Pierre Adolphe, Curé ao amin’ny Paroasy Masimbavy Terezin’i Jesoa Zazakely… ♦ Ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampianaram-pinoana no torio, hoy i Mgr Andriantsoavina Jean Pascal, Evekan’ny Diôsezin’Antsirabe, tamin’ireo Diakra miisa 25 nohamasinina ny alahady 14 janoary 2024… ♦ Ny tena fitiavana marina dia mahafoy ny tenany ho an’ny hafa… ♦ Any Etazonia, notanterahina ny 18 nifoha 19 janoary ny alim-bavaka nasionaly ho an’ny fiarovana ny aina…
Maro amin'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga no resy lahatra amin'ny fampiasana zezika biôlôjika tsy misy taharo simika. 10 taona nirotsahana an-tsehatra sy nampitombo fahalalana amin'ny famokarana zezika kaompôsta Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien ary nahita fahombiazana tamin'izany...
Mifandray amin'ny loha-hevi-dehibe voizina ao anatin'ny fandaharana "miaina sy mitia" mandritra ity taona 2024 ity ny loha-hevitra resahina eto. Antoka iray mahatonga fahasambarana sy firindràn'ny fianakaviana ny fandraisana andraikitra sy fanomezan-danja ny tsirairay ao anaty fianakaviana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara sy ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fianakaviana...
Vahaolana amin'ny fifanoherana ny fifampiresahana satria miova isaky ny olona sy arakaraky ny taona ny toetra amam-pihetsiky ny olona iray. Ny toetrandro miova fa tsy miova ny tsara ka mila alalinina isan'izany ny mahatsara an' Andriamanitra. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco