Noharian’Andriamanitra ho lahy sy vavy ny olombelona mba hampitohy asa fahariana nankininy amin’izy ireo. Noho izany ilaina ny fahafantarana ny toe-batana amin’ny maha-lahy sy maha-vavy io, mba ahafahana mikajy sy mitandrina azy. Adidin’ny ray aman-dreny ny mampahafantatra sy manabe ny zanany dieny mbola kely izy, mba hahay hanavaka ny maha-izy azy , na lahy na vavy. Ny toetoetra ara-boajanahary na ara-biolojika dia samy manana ny maha-samy hafa azy na ny lahy na ny vavy. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
I Môizy dia notendrena ho mpanelanelana, izany hoe mpitondra ny hetahetan'ny olona eo amin'Andriamanitra sy mpitondra ny tenin'Andriamanitra amin'ny vahoaka, fa niombona hatrany tamin'ireo vahoaka ireo izy, indrindra tamin'ireo fakam-panahy sy fahotana ; sady olon'Andriamanitra noho izany i Môizy no mbola akaiky ny vahoaka ihany koa, vokatr'izany dia mangoraka sy mamindra fo amin'izy ireo izy... Katesizy momba an'i Môizy, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
♦ Miandry ny fitsanganan'ny Governemanta vaovao, vao mety hisy ny famaritana ny datim-pifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina. Mijanona ho soson-kevitra hatramin'izao ilay datin'ny 6 nôvambra naroson'ny CENI... ♦ Volamena maherin'ny 6.400 kilao no tafavoaka an-tsokosoko teto Madagasikara, teo anelanelan'ny taona 2019 sy 2023... ♦ Mbola sarotsarotra ny famerenana amin'ny laoniny ny herinaratra any Toamasina, tao aorian'ny fahatapahana faobe omaly hariva. Vinavinaina mbola hitohy hatramin'ny rahampitso hariva ny asa, hoy ny JIRAMA...
Ny safidy tsara dia ahitana fahafahampo ho anao, ary vokatra tsara ho an'ny manodidina. Na eo amin'ny ankohonana misy anao izany, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eto amin'ny firenena ; olom-pirenena tompon'adidy ianao sy izaho koa aoka hanana heri-po hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco