♦ Pretra telo sy diakra iray no nohamasinina tao amin'ny Katedraly Masina Maria Vonjy Mahatoky tao amin'ny Diosezin'i Tsiroanomandidy ny sabotsy 15 ôktôbra 2022... ♦ Notsofin-drano ny alahady 16 ôktôbra 2022 ny toerana hanorenana ny fiangonana vaovao ao Antanimalandy, Diosezin'i Mahajanga... ♦ Nohalavain'ny Papa François hatramin'ny ôktôbra 2024 ny Sinaodin'ny Eveka momba ny Eglizy miara-dia...
Tanterahana miaraka any Lusaka (Zambie) nanomboka androany alatsinainy 17 ôktôbra ary hifarana ny zoma 21 ôktôbra, ny fihaonan’ny Vaomieran’ny Fifandraisan'ny mpiara-belona sy ny Vaomieran’ny Fiofanana eo anivon’ny Fikambanana Salezian’i Don Bosco aty amin’ny Faritra Afrika sy Madagasikarara.
Ny 12 ôktôbra dia fetin'ny olontsambatra Jean Beyzim, ary fitondrana am-bavaka ireo marary hoditra rehetra. Zava-dehibe ny fanabeazana ka mila kajiana sy kolikoloina amin'ny sehatra rehetra, miainga eo anivon'ny ankohonona ka hatreny amin'ny fiaraha-monina. Mila ampiana ny zaza, ny zatovo, ary ireo tanora na ara-batana na ara-tsaina na ara-panahy fa ireo no manorina ny tanteraka ny maha-olona manontolo. Samy manana ny fomba hikarakarana azy ireo singa telo ireo : ara-batana dia ny sakafo sy ny fitafiana miampy fanatanjahantena ; ny ara-panahy dia fikolokolohana hananana fahalalana ; ny ara-panahy dia ny vavaka. Mila mifanampy sy mifampitaiza ny mpiara-belona...
Mizotra mian-dalana ny fanarenana ny diosezin'i Mananjary taorian'ny fandalovan'ireo rivo-doza nifanesy tamin'ny fiatombohan'ny taona 2022. Laharam-pahamehana ho an'ny Eglizy ao Mananjary ankehitriny ny famerenana amin'ny laoniny ny foto-drafitrasa sy ny fiatrehana ny pastoraly sosialy, hiatrehana ireo olana ara-tsosialy vokatr'io rivo-doza io.Fiainan'ny Eglizy katolika ao Mananjary miaraka amin'ny Radio Aina.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco