Mila olona vonona sy mahitsy, manana fitiavana, azo hitokisana, mitandro ny fahamarinana ary mahay manaja ny hafa mba ho fanatsarana ny fifandraisan'ny fiaraha-monina sy ho fampandrosoana. I Kristy dia nanao sorona ny tenany teo amin'ny Hazofijaliana ka io hazo io no atao hoe "alitara". Ny Konsily vatikana-II 1962 dia namerina ny raharaha fanaon'ny diakra raikitra, sy ny mety ho fahafahana manambady. Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Na osa aza isika, eo i Kristy ho herintsika ; Hampahiratra ny masom-panahintsika anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika. Maro ireo tsy mandray an'i Jesoa amin'ny alalan'ireo fitoriana ny Evanjely. Araka izay voalazan'i Md Paoly dia mba manana ny kilemany ihany koa ny mpaminany, ary mijaly amin'ny fomba maro. Fa hoy i Jesoa : “Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany”. Koa mila heri-po lehibe ny asa fitoriana ny Evanjely, manana adidy lehibe amin'izany ny Papa Raimasina, sy ireo mpitondra ny Eglizy...
7 jolay 2024 — Alahady Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Hampahiratra ny masom-panahintsika anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 1-6)
Manomboka ny talata 9 hatramin'ny 12 jolay 2024, dia hisy ny hetsika fanaovana vaksiny faobe ; ny vaksiny "polio" dia isan'ny hatao mba hisorohana ny fihitaran'ny aretina izay tsy misy fanafodiny. Ny "arthrose" dia mpahazo ny olona 40 hatramin'ny 50 taona ary ny vehivavy no maro mararin'io. Io aretina io dia vokatry ny fahasimbana eo amin'ny vanin-taolana, manaintaina... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco