Ny Pape François dia mitodika manokana amin'ireo sokajin'olona misahana raharaham-pitsarana. Ny asan'ny mpitsara hoy izy dia tokony ho vonton'ny fiheverana tsotra izao fa isaky ny mamaha olana amin'ny alalan'ireo lalàna maro izy ireny dia manome ho an'ny mahantra ny tena zava-dehibe ilainy. Omeo ny mahantra ny anjarany izay azy. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
♦ Namoaka fanambarana androany ny firaisamonim-pirenena Rohy, manoloana ny fisondrotry ny vidin-tsolika. Nilaza izy ireo fa tsy mitsinjo ny fahasarotam-piainan'ny Malagasy, ary tsy voahevitra tsara ny fampiakaran'ny fanjakana ny vidin-tsolika... ♦ Tsy hisy, na tsena iray aza, hoesorina ao amin'ny "Petite vitesse", amin'ny fanamboarana ny "téléphérique", eny Soarano, hoy ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana, androany. Nanitsy ny feo mandeha izy, mikasika ity tetikasan'ny Filoham-pirenena ity...
Ny nofinofy hanana tanjona sy dingana eo amin'ny fiainana no manala ny sakana anaty rehetra. Tsy tokony ho ny safidin'ny raiaman-dreny no hamaritra ny fiofanana na asa hataon'ny tanora fa izay nofinofiny. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Desiré Ramakavelo.
Alarobia 13 jolay 2022 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Matio 11, 25-27
 
			Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny... 
			I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny... 
			Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco