Mamaha olana an’ireo tantsaha mpikambana an’arivony ao aminy ny fijoroan’ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny taona maro nijoroany. Fikambanana saro-piaro ary mampihatra ny famokarana ara-biolojia tsy mampiasa taharo simika amin’ny fambolena sy ny fiompiana ilofosan’izy ireo...
Misongadina ny anjara toeran'i Masina Maria sy ny fiaraha-miaina tamin'ilay teny tonga nofo, tonga ho olombelona. Neken'ny Papa François ny fankalazana isaky ny alatsinainin'ny pentekôty an'i Masina Maria renin'ny Eglizy. I Masina Maria sy ny fanantenana no tena foto-dresaka amin'izao taonjôbily izao. Nifidy hampandray anjara antsika olombelona amin'ny asa-pamonjena Andriamanitra ary isan'izany i Masina Maria... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Tapitra androany ny fe-potoana nampiatoan'i Etazonia ny fampiakarana ho 47 % ny haban-tseranan'ireo vokatra miditra any aminy, ka anisan'ny mahakasika an'i Madagasikara. Andrasana na hihatra amintsika io fepetra io na tsia... • Tsy mitombina ny fanambaran'ny Praiministra fa tsy mahafantatra ny fanomezana laharam-pamantarana malagasy ireo fiaramanidina tafiditra any Iran izy sy ny Filoha, hoy ny Profesora Ralison Roger... • Voaporofo fa nisy kolikoly sy fanaparam-pahefana ilay raharaha fitsaram-bahoaka tany Vohibato tamin'ny taona 2023. Natsikafon'ny mpanao gazety “Malina”, ny tao ambadik'iny raharaha iny, tamin'ny horonan-tsary fanadihadiana navoaka androany...
• Tsy Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr'andro intsony, Andriamatoa Valéry Ramonjavelo, araka ny didim-panjakana nosoniavin'ny Filohan'ny Repoblika androany. Ny Praiminisitra Ntsay Christian no hisahana vonjimaika ny andraikitra, mandram-panendrena Minisitra vaovao... • Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy androany ny “Herinandron'ny fampiroboroboana ny Indostria”. Hetsika ara-toekarena hatramin'ny voalohan'ny volana aogositra izao. Nanokatra izany ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... • Nosoniavina androany ny fifanarama-piaraha-miasa eo amin'ny samy kaominina manamorona ny Lalam-pirenena faha-3, manomboka eo Ambohitrabiby hatrany Anjozorobe, hiatrika ny fiovan'ny toetr'andro...
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco