♦ Nanambara ny fandraisany anjara amin'ny famatsiam-bola amin'ny fikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara, ao anatin'ny “Basket Fund” androany, ny Vondrona Eorôpeana, sy ny Masoivohon'i Allemagne, ary ny Masoivohon'i Frantsa... ♦ Manambara ny hanamafy ny hetsika hitakiana ny famoahana an'i Me Kanto, ny Antenimieran'ny vadintany sy ny mpanao lavanty, raha tsy handray andraikitra ny fanjakana... ♦ Tsy marina, fa endrika fanakorontanana, ny fivoizana fa hampakatra saran-dàlana ny UCTU, hoy ny Filohany...
Ny fanambakàna dia miseho amin'ny endriny maro noho ny tsy fahalalana. Ny fanambakàna dia manimba ny rivotry ny fiaraha-monina, na eo amin'ny olon-droa na eo amin'ny fianakaviana na eo amin'ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Fanontaniana tsy maintsy hapetraka ity fanontaniana ity mba hanehoana ny fitiavana ny tanindrazana dia ny hoe : Inona ny anjara biriky azoko hatolotra ho fanasoavana an'i Madagasikara?. Tsy tokony hifanome tsiny na hifampiandry ny hafa isika mba hampandrosoana ny firenentsika. Ny fahombiazan'ny tsirairay no tonga ho fahombiazan'ny firenena iombonantsika. Ny fahasalamana no voalohan-karena ka raha salama ny tsirairay dia afaka hamokatra ho azy sy ny firenena, izay anjara biriky kely ihany.
5 jolay 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Andriamanitra nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 28-34)
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco