5 jolay 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Andriamanitra nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 28-34)

Manohy ny diany miaraka amin’ny mpianany i Jesoa. Taorian’ ny onjan-dranomasina nanjo ny mpianany, no misy ireto roalahy azon’ny demony ireto indray tojo azy ireo, izay toa sakana ho an’ny mpianatra amin’ny fizorana miaraka amin’i Kristy, fa sakana ihany koa ho antsika manara-dia Azy ankehitriny miaina ny Evanjely.

Ny ratsy sy ny demony dia mialokaloka sy mitoetra ao amin’ny ranomasina, ary araka ny Soratra Masina, ny ranomasina no fitoeran’ny demony. I Jesoa irery ihany, amin’ny maha Andriamanitra Azy, no manana fahefana mandroaka azy ireo hiverina any amin’ny toerany. Ary ireo nomena fahefana, tsy mandroaka ny demony amin’ny anaran’ny tenany, fa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.

Tsy ireo sitrana, nialan’ny demony eto no tiana hasongadina fa ireo mpiandry ny kisoa sy ny mpiaray tanàna tamin’ireto azon’ny demony, izay nanda ny asan’Andriamanitra tao amin’i Jesoa hahatonga ny fanjakany eto amin’izao tontolo izao, araka ny voalazan’i Masindahy Matio 28, 18: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany”. Io fahenan’i Kristy io no hanafaka antsika amin’ny ratsy, haha olona afaka antsika tanteraka. Ka ny mangeja antsika, dia tsy misy afa-tsy ny fahotana.

Tsy mpanao “magie” na fahagagana i Jesoa, tonga eto amin’izao tontolo izao, fa Zanak’Andriamanitra Izy, tonga hanorina ny fiainam-baovao hanjakan’Andriamanitra, tonga hanala ireo sakana tsy mampizotra antsika olombelona miaraka Aminy any amin’ny Lanitra, tonga hanafaka antsika amin’ny asan’ny ratsy izay mamily lalana antsika mizotra mankamin’Andriamanitra. Meteza handray Azy, fa Andriamanitra Izy; maneke hafahany ary aza manary ny fahasoavana entiny.

Jesoa ô, tonga hampihavana anay amin’ny Ray Ianao, hanafaka anay amin’ny fahotana sy ny haratsiana, koa aza avela hanary tena izahay fa tolory tana-mamonjy mba ho anisan’ireo navotanao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...