Rehefa tsara ny safidy ataonao, tsy maintsy tsara ny fiainanao. Fahasoavana lehibe sy fahatsaram-piainana ny vokatry ny safidy tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fanabeazana ao amin'ny ankohonana no antoky ny fivelaran'ny zanaka. Manandanja ny fanabeazana ao amin'ny ankohonana, izay hampitain'ny ray aman-dreny amin'ny zanany. Ny fanabeazana eo anivon'ny ankohonana dia fomba afahana mamelona indray ny fihavanana sy ny firaisan-kina, mamerina ny fifanajana. Ny Malagasy no tena mahalala ny atao hoe "fihavanana" izay teny malagasy tsy misy dika teny hafa. Ny Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
17 janoary 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 1-6)
♦ Nanoratra taratasy ho an'ny Evekan'ny Nosy Maurice sy La Réunion ny Evekan'i Morondava, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina. Taratasy mankahery azy ireo sy maneho fiombonana noho ny fahavoazana nateraky ny rivodoza Belal... ♦ Mahaleo tena amin'ny fandraisana andraikitra sy fanapahan-kevitra manomboka izao ny Zandarimariam-pirenena. Hiova ny paikady hiatrehana ny tsy fandriam-pahalemana, hoy ny Minisitra delege, ny Jeneraly Rakotondrazaka Andry...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco