Na ny manapaka hazo aza dia tsy tokony hanadinoana ny nahary azy ka ifonana sy angatahana tso-drano, mialohan'ny fanapahana. Mila fandinihan-tena ny kristiana tsirairay ary hanova ny fomba fanaony. Any an-tsekoly dia omena fahazarana vaovao ny mpianatra mba hifampizarany amin'ny ray aman-dreniny. Ny tanora dia havondrona anaty fikambanana mba hanamorana ny fampitana fanabeazana.
Ny fikambanana na ny vaomiera dia manana anjara manampy amin'ny fanohanana na fiainana ny antson'Andriamanitra. Tsara raha mirotsaka amin'ny vaomieran'asa, hanehoana ny finoana. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Tany amin'ny 600 km atsinanan'i Vatomandry no nisy foiben'ilay rivodoza Batsirai ny hariva teo. Efa manomboka hita taratra amin'ny tapany atsinanana ny rahona mialoha azy, ary hanomboka hikorontana ny toetry ny andro rahampitso... ♦ Miantso ny Malagasy rehetra hiray hina sy hifanampy ary haneho ny tena maha kristianina ny Arsevekan'i Toamasina, ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, manoloana ny fandalovan'ny rivodoza... ♦ Vonona hanampy sy hanaovtra ny mpiray tanindrazana ny miaramila, hoy ny Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika Malagasy...
Aoka iaina ny maha olom-pirenena isika manomboka amin'ny faha-18 taona, ka handray anjara amin'ny fifanampiana manoloana ny zav-misy eto amin'ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco