♦ Tany amin'ny 600 km atsinanan'i Vatomandry no nisy foiben'ilay rivodoza Batsirai ny hariva teo. Efa manomboka hita taratra amin'ny tapany atsinanana ny rahona mialoha azy, ary hanomboka hikorontana ny toetry ny andro rahampitso... ♦ Miantso ny Malagasy rehetra hiray hina sy hifanampy ary haneho ny tena maha kristianina ny Arsevekan'i Toamasina, ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, manoloana ny fandalovan'ny rivodoza... ♦ Vonona hanampy sy hanaovtra ny mpiray tanindrazana ny miaramila, hoy ny Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika Malagasy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...