I Jesoa Kristy Tompo no maniraka antsika hitory ny Evanjely amin'ny olona rehetra. Midika izany fa mbola misy olona tsy mandre ny Evanjely. Ny hoe "mitory ny Evanjely" dia manambara amin'ny olona ny Zanak'Andriamanitra. Tsy mijanona eo amin'ny hoe miteny fotsiny, fa ihany koa mitarika ny olona hahatsapa sy hiaina ny fitiavan'Andriamanitra. Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.
♦ Efa nivoaka ankehitriny ny vavaka ho an'ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, andiany faha-3, izay hotanterahana eto Antananarivo ny 27 hatramin'ny 30 jolay 2023... ♦ Notontosaina omaly ny Eokaristia Masina ho fisaorana an'i Mgr Gustavo Bombin Espino, izay nitantana ny Diôsezin'i Mahajanga tao anatin'ny efa-taona... ♦ Notanterahana omaly ny Eokaristia Masina ho fisaorana an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, izay notendren'ny Papa François, ho mpiandry ondrin'ny Diôsezin'i Mahajanga...
Ny Konsily tao Konstantinopla IV (869-870) no nanamelohana an’i Fazio noho ny sisma nataony, nohamafisina tamin’izany ny fampiasàna ireo sary amin’ny fanompoam-pivavahana. Nasiana tsindrim-peo bebe kokoa ny maha Ray iombonana ny Evekan’i Roma, dia ny Papa ray masina izany. Ny Konsily Lateranezy I (1123) tao Roma kosa no nitaky ny zon’ny Fiangonana ny amin’ny fifidianana sy fanendrena ary fanamasinana ireo ho Eveka, mifanandrina amin’ny fampiketrahana ireo mpanjaka (lahika). Nohelohina ho zary herezia koa ny simonia sy ny tokatranomaso ataon’ireo mpandraharaha masina sasany.
Alahady 29 janoary 2023 — Alahady Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona A — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12a)
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco