Alahady 29 janoary 2023 — Alahady Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona A — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12a)

Tsy fanehoana ny maha Môizy vaovao an’i Jesoa fotsiny eto no misongadina, araka ny fomba fitantaran’i Masindahy Matio, tamin’ny Evanjely teo, fa fampianarana manoro ny endriky ny tena maha mpianatra sy mpanara-dia Azy. Izay miompana indrindra amin’ny fitsimbadihan’ny toe-javatra iainana, dia ny endriky ny fijaliana sy ny fahasambarana, mba hanitsy dia antsika mihanona amin’ny eto ivelany sy mba hananan’ireo tra-pahoriana fanantenana.

Ny tena fahasambarana no torìn’i Kristy eto amin’ity Evanjely ity, fahasambarana, tsy natao hampangetaheta fotsiny, fa lova natao ho antsika, ary tanjon’ny maha isika antsika araka ny nahariana antsika.

Ny fototr’io fahasambarana io anefa, tsy inona fa ny “Fanjakan’Andriamanitra” izay ao amintsika, eo anivontsika ary tanteraka ao amintsika. Izany hoe: mpiombona anjara amin’ny maha an’Andriamanitra an’Andriamanitra isika, noho ny fitiavany, ary mpiara-manorina aminy mba hisantarana izany dia ny ety an-tany.

Io fanjakan’Andriamanitra io anefa tsy inona fa Andriamanitra ihany. Andriamanitra maneho ny asany eo anivon’ny fiainantsika olombelona: mankahery ireo tra-pahoriana, mamoky ireo mangetaheta ny fahamarinana, mamindra fo amin’ireo manokatra ny fony mahita ny fijalian’ny hafa, mambomba ireo miezaka ny hadio fo ary mitsinjo sy mangoraka ny zanany.

Toe-piainana ahatsapana ny fitiavan’Andriamanitra ireo, ary maniraka antsika ihany koa ho mpiara-miasa aminy: tsy hanaiky ny herisetra, hampanjaka ny fahamarinana, ho tsara fo amin’ny olona rehetra ary hizaka ny anjara fijaliana noho i Kristy, mba hisian’ny tena fiadanana sy fahasambarana tanteraka eto amin’ity tontolo misy antsika ity.

Sori-dalana mandavorary ny taloha handraisana an’Andriamanitra, fototry ny tena fahasambarana ho antsika olombelona, io toriteny nataon’i Jesoa ho antsika androany io. Koa angataho Andriamanitra mba ho tanteraka amintsika sy amin’ny olombelona rehetra izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...