Notanterahina ny 2 hatramin’ny 27 aogositra lasa teo ny "FY DON BOSCO" tamin’ity taona 2020-2021 ity. Lohahevitra nodinihana manokana tamin’izany ny hoe "Entanin’ny fanantenana isika", "indro havaoziko ny zavatra rehetra" (Ap 21, 5). Isan-taona, ny tontolo salezianina eto Madagasikara dia mikarakara an’io hetsika "FY DON BOSCO" io, atao mandritra ny fialan-tsasatra.
Vokatry ny fifampizarana eo amin'ny mpihaino dia mamohafoha ao amin'ny mpihaino ireo trangam-piainana nandalovany, ny faharenesana ny tantaram-piainana ataon'ilay miteny ka manasa ny mpihaino hanova ny fomba fijeriny sy ny fihetsiny. Katesizy momba ny fifampizarana andram-piainana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
♦ Homarihana manomboka ny 1 septambra 2021 izao ny fankalazana ny faha-120 taonan'ny Eglizy Iraka Masina Misely Arkanjely, ao Antsiranana... ♦ Nifarana omaly ny fiofanana ntaon'ireo katesista 66 mianadahy tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Nanao antso avo amin'ny mpino katôlika, ny Papa François, mba hifady hanina sy hivavaka ho an'i Afghanistan...
Alahady 29 aogositra 2021 — Alahady faharoa amby roapolo mandavantaona — Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika; mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 1-8. 14-15. 21-23
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco