Alahady 29 aogositra 2021 — Alahady faharoa amby roapolo mandavantaona — Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika; mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 1-8. 14-15. 21-23

Tsy sanatria akory, anisan'ireny olona voretra na tsy mba mahalala madio ireny ny mpianatr'i Jesoa eto, raha mihinana amin'ny tanana tsy voasasa, fa ilay fomba fanaon'ny Farisianina sy ny mpaora-dalana mihitys no tian'i Kristy ahitsy : Milaza azy ho maha sy mpanara-dalana, nefa ny atao sy ny fiainana tsy amin'izany akory. "Mpihatsaravelatsihy". Ny lalan'Andriamanitra iuzay mampianatra ny fitiava-namana, afoiny, tsy raharahiany, fa ny fnaon'ny olona, iza toa fombafomba eto ivelany, hajainy sy tanany mandrakariva. "Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy, hoy i Kristy, fa izay mivoaka avy ao anaty, avy amin'ny fon'ny olona". Tsy hoe ny foma no ratsy, fa ilay toe-po entina manatanteraka azy no maha ratsy na mahatsara azy, ary ny an'ny Farisianina sy ny mpanora-dalana dia ny tsikera sy ny fitsikilovana ny hafa na ny namana no mahamaika azy eto, fa tsy dia ilay fanasana tanana loatra, izany indrindra no mahatonga an'i Kristy manamarika azy hoe : "Izay mivoaka avy amin'ny fon'ny olona no mahaloto azy".

Mampianatra antsika àry, i Kristy, mba hampifanaraka izay ataontsika eto ivelany, amin'ny toe-pontsika ao anaty, fa tsy ho lasan-ko vavany toa haron-tabebaka fotsiny, ka sanatria malaza tsy hinanana toa lovian-tsahona, na ho anara-maneso toa tsikobokobon-danitra, ka ny anarana ambony dia ambony, nefa ny toerana misy, mifotetaka amin'ny tany.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...