Ny atao hoe "Andravana" dia isan'ireo lahabolana amin'ny endrika hira. Ny "andravana" dia fanao amin'ny fotoana fiaretan-tory mandritra ny fiandrasam-paty. Ny "andravana" dia ny foko betsileo no tena manao azy ary amin'ny fotoanan'ny fahoriana ; misy karazana "andravana" ihany koa aty an-kibon'Imerina fa kosa , ity farany, dia hira fanaon'ireo havana na namana tavela an-tanàna, entina hirariana ny soa sy ny tsara ho an'ireo vatan-dahy lasa niantafika. Fandaharana "Filira" sokajy Riba.
Tena ilaina hoy ny Papa ny fahaiza-miteny amin'ny fo, mba hikoloana sy hivoizana ny kolontsain'ny fihavanana, indrindra any amin'izay misy ady. Mila olona mahay miserasera vonona ho amin'ny fifanakalozan-kevitra isika, vonona hirotsaka amin'ny fandrisihana hanafoanana manontolo ny fitaovam-piadiana. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
♦ Neken'ny Ray masina François, ny taratasy fametraham-pialana nataon'i Mgr Jean Claude Randrianarisoa, Evekan'ny Diôsezin'i Miarinarivo, hitsahatra amin'ny fitantanana ara-pastôraly io Diôsezy io... ♦ Efa tafiditra tanteraka ao anatin'ny fandaminana ny Diôsezin'Antananarivo izay mpandray ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, andiany faha-3... ♦ Ao anatin'ny fakalazana ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, dia misy ireo hetsika samihafa izay tontosain'izy ireo. Ao anatin'izany ny "JOTI Centenaire" sy ny Lasy nasiônaly, izay hotanterahanan'ny isan-diôsezy...
Neken’ny Ray Masina Papa Fransoa ny taratasy fametraham-pialana nataon’i Mgr Jean Claude Randrianarisoa, Evekan’i Miarinarivo, hitsahatra amin’ny fitantanana ara-pastoraly io diôsezy io. Notendren’i Papa niaraka tamin’izany fanekena izany ihany koa ny Eveka hitantana vonjimaika ny diôsezin’i Miarinarivo dia i Mgr Fabien Raharilamboniana, Evekan’i Morondava ankehitriny sady Filohan’ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco