Alahady 28 septambra 2025 - Alahady faha-26 mandavantaona — D : Ny soa atao levenam-bola. Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ho anay, Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Mbola ho hita hatrany ankoatra ny elanelana mpampisatrakany mpanana sy ny mahantra eto an-tany ; anefa ny harena dia tsy ny vola ihany fa eo ihany koa ny fahaizana amam-pahalalana, ny talenta sy ny hatsaram-panahy. Ny fahantrana dia miseho amin'ny endriny maro toa ireo tsy nahazo fanabeazana, very zo, ireo tsy misokatra ara-panahy. Io elanelana io dia hitsimbadika any ankoatra any ka ireo ory teto an-tany dia ho tojo hasambarana...
• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...
Miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny alalan’ny famokarana masomboly nohatsaraina aparitaka eny amin’ny tantsaha ny OPR SOA MITAMBATRA. Vovonam-pikambanana ao amin’ny faritra Amoron’i Mania ity fikambanan’ny tantsaha iray ity. Miparitaka amin’ny distrika miisa efatra, dia Ambatofinandrahana, Fandriana, Manandriana ary Ambositra ny OPR SOA MITAMBATRA. Ahitana mpikambana mpamokatra masomboly 174. Mamokata masomboly 40 Taonina isan-taona eo ho eo...
Miatrika fanamby maro ny tanora ankehitriny, ary miaina anaty faharefoana ny ankamaroany. Maro ny antony mahatonga izany, toy ny tsy fananan’asa, tsy fanajana ny soatoavina, fanamby ara-pahasalamana, ary indrindra ny fanabeazana tsy lavorary. Noho izany, ilaina ny fandraisana andraikitry ny olon-drehetra sy ny sehetra samihafa, mba hanome lanja ny fanabeazana sy ny finoana ho hery hiatrehana ny ho avy mamiratra... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco