Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
26 jona — Nataon’ny Fiangonana hatsiarovana an’i Masindahy Jean sy Paul, martiry niaina tamin’ny taonjato fahefatra, ny andro androany. Mpirahalahy i Jean sy i Paul, zanak’olona ambony saranga teo amin’ny fiaraha-monina izy mirahalahy ireto. Nitoetra tao Roma izy ireo ary niasa tao amin’i Constance zanakavavin’ny amperora Constantin.
Mivoatra ny tontolon'ny fanabeazana, indrindra manoloana ny fivoaran'ny haino aman-jery. Talohan'ny taona 2000 dia tsy nizarazara ny hevitry ny olona manoloana ny tranga sy ny zava-misy notanterin'ny haino aman-jery satria vitsy ireo orinasa nisehatra tamin'ny serasera. Ny fanabeazana tamin'izany dia nisy akony tsara, fa ankehitriny dia maro ny misehatra amin'ny seresasera, ary tsy misy sivana akory aza ny zava-misy aparitak'izy ireny... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Nidina ifotony nankahery ireo niharam-boina sy nidonam-pahoriana noho ny fanapoizinana ara-tsakafo tao Ambositra androany, ny Minisitra efatra ao amin'ny Governemanta. Miisa 11 no maty hatramin'ny androany... • Noraisina tamin'ny fomba ofisialy tetsy amin'ny CCI Ivato ireo fiara lehibe fitateram-bahoaka na ny bus mandeha amin'ny herinaratra sy mandeha amin'ny gasoil. Miisa 12 ireo mandeha amin'ny herinaratra raha 30 kosa ireo bus mandeha amin'ny gasoil... • Notokanana androany teny Analakely ny tsangambato faha-65 taona niverenan'ny fahaleovantenan'i Madagsikara. Nisolotena ny Filohan'ny Repoblika tamin'ny fitokanana ny Minisitry ny Foloalindahy Malagasy...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco