Dia iny niarahantsika nahita tamin’ny herinandro iny ny hetsik’ireo mpiasan’ny Jirama. Nitaintaina ny rehetra fa izay vao tsy hisy famatsiana herinaratra sy rano intsony fa hitokona ny mpiasa. Nilaza rahateo ireo mpitarika fa akatona ny birao fiasana fa eny Soanierana ny fotoana ho an’ny mpiasa rehetra teto Antananarivo. Toa nahitana fitokonana koa aza tany amin’ny faritra. Kabary mafonja no heno teny Soanierana nataon’ireo nandray fitenenana, vava re izao e! Tsy hifampidinika fa tongava ety e! Voatonontonona ny anaran’ny Solombavambahoaka malaza, nomena fe-potoana 24 ora hatramin’ny Filoham-pirenena hamaha olana.
Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina, misy farany ny zavatra rehetra, ny mahantra mbola hanana. Zava-dehibe ny fifamelàna, ny fahaiza-mihaino sy ny fifampitondrana am-bavaka. Manana adidy ny mpitondra manam-pahefana sy ireo mpanana hitsinjo izay rehetra hanarenana ny fiainan'ny vahoaka : famoronana asa. Manana adidy hanova sy hampivoatra ny toe-tsaina entina hitrandrahana ny harena nomen'Andriamanitra an'i Madagasikara, isika Malagasy rehetra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 13 jolay 2025 - Alahady faha-15 mandavantaona — "D" : Akaiky antsika Andriamanitra ; Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. Zava-poana ny fanarahana ny lalàna anefa tsy mahavita manolontena ho fanasoavana ny hafa ; ilaina ny fitiavana namana, sy ny fangorahana ny hafa. Ny tena fitiavana marina dia ny fanafohanana ny elanelana, tsy fitoviana na harena na fahefana. Mila fanatrentena ny fitiavana ny hafa. Ny namana tsara dia ireo izay mikaraka ny hafa, ireo maneho hatsaram-po, ireny no miteraka fifankatiavana sy finamanana lafatra...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco