Dia iny niarahantsika nahita tamin’ny herinandro iny ny hetsik’ireo mpiasan’ny Jirama. Nitaintaina ny rehetra fa izay vao tsy hisy famatsiana herinaratra sy rano intsony fa hitokona ny mpiasa. Nilaza rahateo ireo mpitarika fa akatona ny birao fiasana fa eny Soanierana ny fotoana ho an’ny mpiasa rehetra teto Antananarivo. Toa nahitana fitokonana koa aza tany amin’ny faritra. Kabary mafonja no heno teny Soanierana nataon’ireo nandray fitenenana, vava re izao e! Tsy hifampidinika fa tongava ety e! Voatonontonona ny anaran’ny Solombavambahoaka malaza, nomena fe-potoana 24 ora hatramin’ny Filoham-pirenena hamaha olana.
Dia maro no nanantena fa mba hiaro ny mpanjifa izay mizaka ny vokatry ny tolotry ny Jirama tokoa ny mpitarika ny hetsika. Narantiranty tamin’ny peta-drindrina fa mamono ny mpiasa sy ny mpanjifa ny Sata vaovao. Inona anefa ny teo fa toa sosoa voatapo-drano. Indray andro dia nitsefotra ilay fitokonambe, ilay fitokonana nanaovana tambabe. Toa hita ho mailo koa ny fitondrana amin’ireo famonoana afo samihafa, noho ny tahotra angamba fa sao mety ho pitik’afo hisian’ny hatezeram-bahoaka amin’ny jiro sy rano ny fitokonana nataon’ireo mpiasan’ny Jirama. Tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana angamba, fa toa nanaiky nidinika tamin’ny Minisitry ny Angovo ihany ireo mpiasa. Maro anefa no nihevitra fa tena hanao zavatra ireo mpiasan’ny Jirama. Tsy vitsy ireo naminavina fa lalana iray hizorana any amin’ny vahaolana iny hetsiky ny mpiasa iny. Nisy koa ireo nahatsinjo fa don-tandroka ihany ny hetsika fa tsy ho tody hatramin’ny farany.
Mizarazara hevitra koa angamba ireo mpiasa, ka misy ireo voasariky ny mena miraviravy dia mora miova hevitra. Tsorina koa anefa fa na inona na inona fitakiana natao tao anatin’izao fitondrana izao dia nandamoaka avokoa. Asa izay ho avoakan’ny fihaonana eo amin’ny Filoham-pirenena sy ireo mpitarika ny fitokonana, izay samy nilaza fa vonona hifampidinika. Sao dia ho tratran’ny bemanaiky koa ireo mpiasa milaza tsy manaiky lembenana, ka hanaiky ilay sata vaovao nanaovana fitakiana ihany amin’ny farany. Na koa famonoana afo fotsiny ihany ny an’ny fitondrana, ka ny teo ihany no ho eo. Dia mbola hiverina ny delestazy, sy ny faktiora midangana ka tsy hahaleo ny sarany foana ny vidiny, na dia ampanantenaina aza ny vahoaka fa hisy ny drafi-panarenana atao amin’ity orinasam-panjakana ity. Ny hirariana dia tsy hanara-dia ireo orinasam-panjakana hafa, toy ny Solima, ny Airmad, ny Kraoma sns… ingahy Jirama, fa aleo velona mitsipozipozy eo ihany farafaharatsiny.
Dia hoy ny Arofanina hoe: Tsy ny fisian’ny fitokonana na ny fitsaharan’ny fitokonana no hahavaha ny olan’ny orinasa Jirama fa finiavana politika avy amin’ny mpitondra. Tsy nisy izany finiavana izany matoa 15 taona mahery izao tsy mitsaha-mitotongana ity orinasam-panjakana ity. Miditra an-tsehatra hatramin’ny Banky Iraisam-pirenena aza moa mametraka ny olona mitantana azy. Manao izay mety aminy, satria izy aloha no mpanampy ara-bola antsika. Mety tereny hiroso amin’ny fanovana ny Jirama ho lasa orinasa ara-barotra ny mpitondra, ka tsy maintsy manaiky, na dia mamono afo aty ambadika fotsiny aza.
Fanontaniana hapetraky ny Arofanina ny hoe: raha lasa orinasa ara-barotra ny Jirama: mety hiakatra ve ny saran’ny herinaratra aloan’ny mpanjifa? mbola hisy ve ny delestazy? Vao mainka hahazo vahana ao ve ny tsy miankina? Fa raha ny Jirama amin’ny endriny amin’izao koa aloha: mivarotra jiro sy rano sisa no antom-pisiany. Fa na hiova ny satan’ny Jirama na tsia, dia tsy tokony handoa saran-jiro sy rano toy ny mpanjifa tsotra koa ve ny mpiasan’ny Jirama e? Toy izany koa ireo sampan-draharaha sy mpiasam-panjakana tsy mandoa faktiora isam-bolana. Asa rahoviana no tonga tokoa ny vahaolana na ho vao mainka koa hivadika ho olana. Fa valala voatango ny mpanjifa e! Rafotsibe very laona, miandry izay higadonany!