Fandraharahana ao amin'ny Eglizy ny maha pretra ; fandraharahana najoron'Andriamanitra ka mahatontosa ny ambaratonga samihafa. Ambaratonga tsy mitovy amin'ny eveka ny pretra fa eo ambaniny nanankinana fahatokisana amin'ny lafiny maro : fampianarana, fanamasinana, fitantanana, fitsinjarana ny fanompoana. Ny Pretra dia Mpisorona... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Hiresaka momba ny raharaham-pirenena ao amin'ny haino aman-jerim-panjakana anio ny Filoham-pirenena. Andrasana indray izay ho ambarany momba ny olana ara-tsosialy iainan'ny vahoaka ankehitriny... • Hovana ho “électronique” manomboka izao ny karatra fahazoan-dalana na “Permis minier” havoakan'ny Minisiteran'ny Harena an-kibon'ny tany. Nampahafantarina androany ny momba izany... • Tombanana hivoaka amin'ny faran'ity herinandro ity na ny voalohandohan'ny herinandro ho avy io ny voka-panadinana CEPE. Mitaraina ireo mpampianatra fa nahena ny isan'ireo mikirakira izany...
Ny sehatra mampivondrona sy mampifandray dia ny Fiangonana, mahay mifandefitra, mahay mifankatia, mahay mifanaja. Ny fetim-pirenena dia toa ny "andro fandroana", fotoana fifamelan-keloka, fotoanan'ny fampihavanana, fotoana famadihana pejy indrindra raha nisy zava-dratsy niainana. Ny tsy fananana fotoana hifampiresahana amin'ny manodidina dia mahatonga fiolonolonana ; etsy ankilany ny "fahaiza-mihaino" dia endriky ny fanehoana fitiavana, fanomezan-kasina sy lanja ny manodidina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
19 jona — I Masindahy Romuald dia teraka ny taona manonidinana ny 951, avy amin’ny fianakaviana Onesti, ducs de Ravenne. Sergio no anaran-drainy, nanabe azy tao anatin’ny fitadiavana fafinaretana izy io. Indray andro raha niady taminy ny rainy sy ny olona iray tao amin’ny fianakaviana dia i Romuald no nasain’ny rainy ho vavolombelona hanatrika ny adin’izy ireo izay niafara tamin’ny fifamonoana.
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco