Nandrombaka ny medaly volamena ho an’ny taty Afrika sy ny ranomasimbe Indiana tamin’ny fifaninanana eran-tany amin’ny famokarana cacao mifanaraka amin’ny kalitao takian’ny tsena iraisam-pirenena ny tantsaha ao amin’ny vondron’ny kaoperativa « Lazan’i Sambirano » any amin’iny Faritra Diana iny tamin’ny taon-dasa. Mbola tantsaha ao aminy koa no nahazo ny medaly alimo.
Ny tanjon'ny fanambadiana dia ny fiainan'ny mpivady ny fifankatiavana maharitra. Ao anatin'ny voadin'ny fanekena ny hoe "na inon-kidona na inon-kihatra, na an-kasoavana na an-karatsiana". Mamelona ny fifankatiavana ny fiainana izany miaraka : miara-dalana mba hamelo-maso ilay fifankatiavana hatramin'ny voalohany, ka hahatonga izany ho lavorary ho an'ny tanjona iombonana.
Ny fikatsahana ny fiadanana dia miara-dalana amin'ny demôkrasia. Ny fiangonana dia mankasitraka ny demôkrasia ; tsy misy demôkrasia marina raha tsy ao amin'ny tany tan-dalàna. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Alarobia 30 marsa 2022 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 17-30
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco