Nandrombaka ny medaly volamena ho an’ny taty Afrika sy ny ranomasimbe Indiana tamin’ny fifaninanana eran-tany amin’ny famokarana cacao mifanaraka amin’ny kalitao takian’ny tsena iraisam-pirenena ny tantsaha ao amin’ny vondron’ny kaoperativa « Lazan’i Sambirano » any amin’iny Faritra Diana iny tamin’ny taon-dasa. Mbola tantsaha ao aminy koa no nahazo ny medaly alimo.

Hanatsara ny velontenan’ny mpamokatra Cacao ao amin’ny Kaoperativa « Lazan’i Sambirano » ny nahazoana ny anaram-boninahitra. Hisaria ny mpanafatra hisafidy ny vokatr’izy ireo mantsy izany hoy Andriamatoa Aldi Arnaud Toly, filohan’ny kaoperativa. Mamokatra Cacao 700 taonina isan-taona ny Kaoperativa. Ny 300 taonina amin’io ihany no ahondran’izy ieo mivantana, fa ny 400 taonina kosa dia ny mpanangom-bokatra no mandray azy.

Mamokatra ny 95 %-ny vokatra Cacao eto Madagasikara ny ao amin’ny Faritra Diana, indrindra ny ao Ambanja, izay azo lazaina fa renivohitry ny famokarana Cacao eto Madagasikara. Eo anelanelan’ny 3000 hatrimin’ny 6000 taonina isan-taona ny vokatra miakatra. Ny iray ampahafolon’ny vokatra no amatsiana ny orinasa eto an-toerana, ny ambiny, 90 % dia ahondrana any ivelany avokoa. Ny firenena eorôpeana no tena mandray ny vokatra avy eto Madagasikara.

Tsy mena-mitaha amin’ny vokatra any amin’ny firenena hafa ny Cacao eto Madagasikara. Kalitao farani’izay tsara mantsy ny vokatra eto amintsika, ary mbola tena biolojika, tsy misy taharo simika tamin’ny fikarakarana azy, ka izay no mahabetsaka ny tinady any ivelany any, ary nahatsara nyvidin’ny Cacao eto Madagasikara, miohatra amin’ny firenen-kafa.

Profon’izay kalitao tsara ho an’ny Cacao ao Sambirano izay no nahazoan-dramatoa Sovenira Vahiny, filohan’ny Kaoperativa TMAR tantsaha ao amin’ny vondron’ny Kaoperativa « Lazan’i Sambirano » ny medaly volamena ho an’ny taty Afrika sy ny ranomasimbe Indiana tamin’ny fifaninanana eran-tany amin’ny famokarana Cacao kalitao takian’ny tsena ity Kaoperativa ity tamin’ny taon-dasa. Mbola tantsaha ao amin’izany kaoperativa izany koa no nahazony medaly alimo, Aly Robert tamin’io fifaninanana io.

Mampihena ny famokarana Cacao eto Madagasikara ny fahasimban’ny tontolo iainana. Isan’izany ny voka-dratsy ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro. Olana azo vahana avokoa izany rehetra izany hoy ny teknisiana raha samy mandray ny andraikitra manandrify azy, ary mivondrona ny hery rehetra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...