Ny tsiky dia avy ao anaty, midika hafaliana io no mitondra fitoniana ; endrika ivelany ahatarafana sahady ny finiaivana hametraka fiovana, manome lanja ny fifandraisana sy ny fifampihainoana. Manana anjara adidy fampandroso ny firenena ny tsirairay, ny hevitry ny maro mantsy no mahataka-davitra. Ny olona vanona sy vonona dia miasa an-drariny ary miteraka fampandrosoana maharitra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny zokiolona dia ireo 50 taona mihoatra, sokajin-taona vaovao ary toe-pahasalamana vaovao no iainan'ireo olona ireo : fanimpanina, tsy mahare loatra, fahasalamana anaty, fiovana ety ivelany. Ny taona dia mifamatotra amin'ny fahasalamana, misy araka izany ny fepetra raisina mba afahana manara-maso ny fahasalamana ; ilàna fandanalanjana ny sakafo sy ny fihetseham-batana.... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Nijoro androany ny Governemantan'ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo, ahitana mpikambana 29. Omena roa volana ireo Minisitra vaovao, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kolonely Randrianirina Michaël... • Mitaky ny hametrahana olona ao aminy hisahana ireo andraikitra samihafa ao aminy ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Mitaky ny hanomezana ny zo feno tokony hositrahan'ireo mpiasam-panjakana mandeha misotro ronono, ny Sendikan'ny Mpiasam-panjakana Misotro ronono ao amin'ny Minisiteran'ny Fitantanam-bola... • Tsy mankasitraka intsony ny hitsabahan'i Lafrantsa amin'ny raharam-pirenena eto Madagasikara, ireo olom-pirenena Malagasy saro-piaro amin'ny fiandrianam-pirenena...
Ireto vokatry ny "Sacrosanctum Concilium : Fanavaozana lalina ny Lamesa, nampidirana ny fiteny teratany amin'ny litorjia ; Fandraisan'ny vahoaka anjara mavitrika, amin'ny hira, famaliana, famakiana Tenin'Andriamanitra ; Fiverenan'ny Lanjan'ny Soratra Masina ; Fanavaozana ny tetiandro litorjika ; Fiombonana amin'ny kolontsaina sy fiteny manerana ny tany...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco