♦ Nanova paik'ady hizarana ireo fanomezana ho an'ny fianakaviana marefo sy ny zokiolona ny fitondram-panjakana. Niverina niasa amin'ny maha minisitry ny mponina azy Ramatoa Maharamamy Irmah... ♦ Hakatona avokoa rahampitso ny tsena lehibe any Antsirabe dia ny tsenan'Asabotsy sy Antsenakely mba hahafahana mandraraka fanafody. Asa hatao hisorohana ny fiparitahan'ny tsimok'aretina Coronavirus ao an-drenivohitr'i Vakinankaratra...
Alahady 29 marsa 2020 — Alahady fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 11, 1-45 — Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo, ka tsy ho faty mandrakizay izy mino Ahy.
♦ Mbola tsy voahaja ihany nanomboka ny maraina teo ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana ny tokony tsy hivoahana ny trano. Mbola maro ireo mivezivezy eny an-dalambe... ♦ Misy mitaraina mafy ireo lehiben'ny fokontany fa mitangorona manoloana ny biraom-pokontany ireo zokiolona sy mpanasa lamba mitaky ny anjara volany araka ny fampanantenan'ny Filoham-pirenena...
♦ Nahazo fitaovana vaovao hiatrehana ny valan'aretina entin'ny Corona Virus ny fitondram-panjakana malagasy... ♦ Nametraka vidin'entana raikitra hampiharin'ireo mpivarotra antsinjarany tsy manana facture nividianana entana tany amin'ny mpamongady ny Ministeran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa-tanana... ♦ Misedra olana ara-pihariana ireo mpisehatra amin'ny lalam-pihariana ronono manoloana ny toe-java-misy amin'izao fotoana izao...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco