14 mey 2025 — Masindahy Matiasy, Apôstôly — Fankalazana — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-17)
Anisan'ny tena mampiavaka ny Eglizy Katôlika izay manana ny toetrany manokana (iray, masina, katôlika, apôstôlika) ny fananany rafitra maty paika sady matotra ka ijoroany hatrany am-piandohana hatramin'ny namoronan'i Kristy azy tamin'ny Apôstôly dia i Piera no filohany sy ireo dimbiny mandrak'ankehitriny dia ny Papa. I Jesoa no nanorina ny Eglizy ary nametraka azy eo ambany fahefan'ny Apôstôly... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Nampiombona ny fitopin'ny mason'izao tontolo izao tao anatin'ny andro maromaro ny zava-misy any Vatican. Indreo fa samy niresaka, naneho hevitra, ary indrindra naminavina izay mety ho dimbin'i Md Piera ireo mpiserasera. Tsy ny mpino katôlika ihany fa na ny tany an-tokantrano, hatrany anaty fitateram-bahoaka, toeram-piasana, indrindra ireo mpampiasa tambajotran-tserasera dia voasarika tamin'ny zava-nisy tany an-toerana. "Izao no izy, tsy izany fa izao:..." tonga amin'ilay momba fiteny hoe: Katolika alohan'ny Papa mihitsy.
12 mey — Andeha i Md Nérée sy Md Achilée no ho resahintsika satria martiry niaraka izy ireo. Izy ireo dia mpanompon'i Masimbavy Flavie Domitilla, ary ny fitiavam-bavaka nasehony no nampibebaka an'io zanaky ny mpanjaka io, sy nahatonga azy nahatoky azy ireo.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco