Ny fanembohana masina ao amin'ny Eglizy katôlika dia fomba litorjika mampiasa emboka manitra, ka arehitra sy entina manemboka ny olona, ny zava-masina toy ny sary masina, Otely/Altara, Evanjeliery, eo koa ny razana entina ao am-piangonana atao veloma farany. Ny dikan'ny emboka manitra natolotry ny Majy : Volamena manambara ny maha Mpanjaka ; emboka manitra maneho fa Andriamanitra ilay notolorana ; mira manambara ny fijaliany sy ny fahafatesany. Fandaharana "Finoana Aina" iarahana amin'ny P. Randriamanamahenina Robert Maria...
Nitondra anjara biriky lehibe amin’ny sehatry ny toekarena indrindra fa ny famoronan’asa hoan’ny malagasy ny sampam-pianarana manofana ho injenieran’ny Harena an-kibon’ny tany ao amin’ny Sekoly Ambony Politeknika Antananarivo Vontovorona. Sampam-pianarana namoaka injenieran’ny Harena an-kibon’ny tany voalohany teto Madagasikara ary iray amin’ireo sampampianarana miisa 16 ao amin’ity sekoly ambony ity. Afaka miasa amin’ny sehatry ny harena ankibon’ny tany ny tanora nivoaka tao noho ny fahalalana natolotra azy ireo...
Iza aho? Tanora mitady ny maha-izy azy, miresaka safidy, soatoavina ary ny anjara toeran'ny finoana amin'ny fiainana. Fanontaniana fototry ny fananganana ny maha-olona. Miresaka ihany koa ny mety ho sakana tsy afahana mahafantatra ny maha-izy ny tena. Fotoana iray, hifampizarana andram-piainana mahafinaritra kely. Tsara ny hanana olona azo tahafina amin'ny fiainana, eny, hanao tantsoroka amin'ny fiainana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Tamin'ny alalan'ny Teny no naharian'Andriamanitra izao tontolo izao sy ny zava-misy ao aminy. Mbola io Teny io no Tonga Nofo ka nonina teto an-tany dia i Jesoa Kristy, ilay olombelona lavorary indrindra ary niditra tao amin'ny tantaran'izao tontolo izao izy, mba hamerina ny hasin'ny maha-olombelona izay simban'ny fahotana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny asan'ny olombelona eo amin'izao tontolo izao" iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco