Mitohy ny fikarohana ataon'ny mpikaroka amin'ny fomba iadiana amin'ilay aretim-bary malazo ravina BLB sy mitsipika amin'ny ravina BRS, miparitaka amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy. Tsy mbola hita ny fanafody fa mitady an'ireo karazam-bary mahatohitra ny aretina ny teknisianina mpikaroka amin'izao fotoana izao...
Ny fiarahan-dia dia midika fiaraha-mientana, fiaraha-misalahy amin'ny fanatontosana ireo fitsaboana sahaza ; manomboka any amin'ny fisorohona, ny fitsaboana ary ny fanaraha-maso aorian'ny fitsaboana. Miseho amin'ny endrika maro ny fiaraha-mientana ary tokony hamafisina eo amin'ny mpiasan'ny fahasalamana rehetra ka tokony ho hafatra iray no ampitaina manoloana ny trangan'aretina iray. Ampanjakaina ny fanajana ny maha-olona ary alavirina ny kolikoly... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana Vaomieran'ny Eveka misahana ny fahasalamana ary ny ivon-toerana Arrupe.
Betsaka tamin'ny mpianatr'i Jesoa no tsy dia nahazo mazava tsara ny fampianarany ka lasa nandao Azy, teo koa ny fikonokononana hamadika Azy nataon'i Jodasy ; tamin'izay anefa i Jesoa no nanomboka niteny mazava ny fijaliany sy ny fahafatesany. Tao anatin'izany toe-javatra izany i Jesoa no niakatra tany an-tendrombohitra niaraka tamin'ny mpianany telo lahy ary niova tarehy... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
Ny ray aman-dreny no môdely ho an'ireo zanaka, ary manana adidy hametraka rafitsaina mendrika ny maha olombanona. Ny fanabeazana dia mila saina tia karokaroka ; tsy afaka misaraka ny fanabeazana sy ny fiainam-pirenena izany hoe miainga ao an-trano. Manahirana ny fanabeazana ankehitriny, antony vitsy ny tsy fahampian'ny fotoana hifampiresahan'ny zanaka sy ny ray aman-dreny, eo koa ny herin'ny vola izay lasa toy ny sampy... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco