---/...Higadona tsy ho ela indray ny voalohan'ny volana Mey, andro natokana ho fanamarihana ny fetin’ny asa. Raha ny tantara no zohina dia ny 20 jolay 1889 nandritra ny fihaonambé faharoan’ny  Sosialista maneran-tany no nanapahana ny voalohan’ny volana Mey ho andro natokana hanaovana fitokonana sy hetsiky ny mpiasa, ka ny tanjona dia ny hampihenana ny andro iasana ho adiny valo isan’andro.  Tanteraka ny fitakiana tany amin’ireo firenena Eropeana maro. Lasa andro natokana ho fitolomana sy fitakian’ny mpiasa madinika ny zon'ny mpiasa izany ny taonjato faha 20....

Taty aoriana dia lasa andro iraisam-pirenena hoan’ny tolona hampanajàna ny zon’ny mpiasa ny voalohan’ny volana Mey. Misy mpiasa tsy mahalala loatra anefa  io daty malaza io. Daty izay hanehoana ny fitakiana ny zon'ny mpiasa. Ireto avy izany zo izany amin'ny ankapobeny : zo  hanana asa mendrika miala amin'ny fanandevozana, zo hisitraka fiarovana ara-pasahalamana, zo hanana fiahiana ara-tsosialy hitsinjovana ny any aoriana. Ary koa ny zo hisitraka karama mahavelona…

Raha ho antsika eto Madagasikara, dia mbola maro ny zon'ny mpiasa tsy voahaja. Maro ireo mitaraina any amin'ny sehatra tsy miankina, indrindra ny orinasa afak'haba, fa tsy manaja ny lalàna mifehy ny asa ny tompon'andraikitra. Isan’izany ohatra ny ora iasana sy ny ora ambony ampanga tsy voahaja, tsy mifanaraka amin’ny asa vita sy ny ora iasana  ny vola raisina rehefa faran’ny volana. Mbola ambany koa ny karama eto amintsika, ka antony anaovan'ny sendika maro fitakiana. Raha somary nahazo tombony tato ato ny mpiasam-panjakana : toy ny fahazoan'ny mpampianatra indemnité de craie sy logement,  teo koa ny fanondrotana karama ho 14 isan-jato ; dia toa mbola volan-kankafotra, ka ny omaly tsy miova ny an'ny sehatra tsy miankina.

Voalaza fa 3 hetsy Ariary ny karama farany ambany, raha ny hevitry ny vondron’ny mpampiasa eto amintsika. 6 alina sy telo hetsy Ariary kosa izany, raha ny tinapak’ireo sendika efatra eto Madagasikara. Io karama io izay maha be resaka hoe mahavelona ny fianakaviana ve? Efa maro ny Sendika mampaneno lakolosy hoe tokony ho iray tapitrisa Ariary farafahakeliny ny karama farany ambany eto Madagasikara. Dia samy manana ny atao hoe karama mahavelona azy kosa aloha ny mpiasa tsirairay e. Fa mba ohatrinona moa ity hoe karama mahavelona takian’ny sendika ity e? Dia izay karama mahasahana ny filàna andavan’andron'ny tokantranon'ny mpiasa. Noho ny fidangan'ny vidim-piainana, dia tapa-bolana ihany dia lany ny karama amin'ny ankamaroan'ny mpiasa. Karama TDL na Tonga Dia Lany, hoy ny mpahay toe-karena Jean Jacques Ratsietison izay.

Milaza moa ny ankamaroan’ny mpiasa malagasy fa tsy mpisitraka karama mahavelona ny ankamaroany. Firenena sokajiana ho anisan’ny kely karama indrindra eran-tany koa moa i Madagasikara. Dia ho gaga ve isika raha naleon'ny tanora manam-pahaizana miasa any amin'ny firenen-kafa mba hisitrahana ny "sitrahan'ny ahay". Tsy vitsy araka izany ireo lasa miasa any Maurice, Canada, eo koa ireo lasa manao mpitaiza be antitra any Allemagne. Io ilay antsoina hoe "fuite de cerveau". Ankoatr’izay, ny karama ambany tsy mifanaraka amin'ny fahefa-mividy no miteraka kolikoly eto Madagasikara izay sarotra ny hamongotra tanteraka azy...

Mendrika ny karamany tokoa ny mpiasa. Fa raha hijery ny lafiny hafa kosa, dia tsy azo sarahana ary mitaky adidy amin’ny mpiasa tsirairay koa anefa io zo io. Firifiry tokoa moa ireo mpiasa no zara fa miasa araka ny tokony ho izy, mba tsy ilazana hoe tsy hita anya m-piasana mihitsy? Mahakasika ny resaka ora ambony ampanga indray, toa zary lasa fitakiana an-jambany indraindray, satria tsy mazava tsara amin’ny mpiasa ny dikany sy ny tambiny. Ilaina araka izany ny fifampiresahana mazava eo amin’ny mpampiasa sy ny mpiasa. Ankoatr’izany, firifiry ireo mpiasa no tsy manaja ny fotoam-piasana na fidirana izany na firavana. Moa ve manaja ny lalàna ireo mpiasa tsy manao ny asa nankinina sy nifanarahan’ny mpampiasa taminy ? Zavatra mety hitranga manko, dia misy ireo mpiasa variana manao asan’olon-kafa na ana orinasa hafa, ary tsy aiza no hanaovany izany fa ao amin’ilay toeram-piasana tena iasany.

Ankoatran’ny karama tsy mahavita iray volana, na fanjava raiky, mbola misy ihany koa ny zo hafa tsy voahaja. Isan’izany ohatra ny hoe : iharan'ny tsindry hazolena ny mpitarika sendilaky rehefa mitaky ny zon'ny mpiasa. Misy ny delegen’ny mpiasa roahina tsy an-drariny. Firifiry moa ireo mpitarika sendikaly sy delegen'ny mpiasa ahiditra am-ponja rehefa mijoro miaro ny namana izay hiaran'ny tsy rariny ? Ny rafitra misy tokony hiaro ny mpiasa indray aza mazàna no tena mandentika azy ireo rehefa mahazo tolotolotra kely. Ary ny fanjakana tokony hijoro ihany koa matetika no manao vain-drahalahy tsy maharary ka misambotra sy managadra ny mpitarika sendika.  Vitsy mba tsy hilazana hoe : tsy misy orinasa manome lanja ny marim-pahaizan'ny mpiasa ao aminy, fa ny mpampiasa no mamaritra ny karama tiany omena ny mpiasa.

Raha atao indray mijery dia toa mbola tsy ampy ny fanajàna ny zon’ny mpiasa, indrindra aty amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana toa an’ i Madagasikara. Tena mila mitaky ny zony ny mpiasa, fa tsy tokony ho hadinoiny kosa anefa ny adidy miandry azy amin’ny asany. Mpiasa mitaky zo ka zohin’ny adidy koa e.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...