Ao anatin'ny volana jona isika, izay volana feno fanamarihana sy fankalazana, isan'izany ny andro manerantany hiadiana amin'ny fampiasàna zaza tsy ampy taona. Misy fifandraisana mafonja eo amin'ny zanaka sy ny ray, indrindra amin'ny lafiny fanabeazana, ampy hampivelarana ny sain'ny ankizy izany raha voarindra. Ny hoe ray lavitry ny zanany : ireo ray tsy mifandray matetika amin'ny zanany, variana loatra amin'ny asany, tsy mandray andraikitra firy amin'ny fanabeazana,..
Alarobia 16 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18
♦ Notanterahana androany ny fanadinana CEPE Katôlika manerana ny nosy. Ho fanehoana ny maha izy azy ny sekoly katôlika no tanjona kendrena, hoy Mompera Ranivoson Jules, Talen'ny DINEC... ♦ Mitaky ny ivoahan'ny marina momba ny anton'ny nahafaty an'i Mendrika, tovolahy 15 taona monina ety Ivato, ny mpiara-monina sy ireo niara-niaina taminy. Miantso ny fandraisana andraikitry ny fitondram-panjakana ihany koa izy ireo...
Ny fihatsarambelatsihy dia endriky ny fihavanana ihany koa. Mitranga ny fiatsarambelatsihy rehefa maharitra ny fifaneraserana, rehefa tsy te hifampizara soa. Ny fifosafosàna dia mbola endriky ny fihavanana ihany koa. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco