Alahady faha-23 mandavantaona — D : Izay tia mahafoy ; Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana. Na iza na iza tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mendrika ho mpianatro. Zara raha mahavinavina ny eto an-tany ny olombelona ; ary tsy maintsy misasatra vao mahita manoloana ny tenanay; tsisy hahatakatra izay any an-danitra, tsisy nahalala ny sitra-pon'Andriamanitra, raha tsy nomenao ny Fahendrena, sy nanirahanao ny Fanahy Masina avy any ambony...
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Mibaribary toa ny tafika an-drefan-tanàna ankehitriny ny anjara toerana sy ny andraikitry ny vehivavy tantsaha amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra, izy ireo izay mandray anjara amin'ny fiantohana ara-tsakafo sy ny fampihenana ny fahantrana. Misehatra amin'ny asa famokarana sakafo mantsy ny vehivavyary isan'ny miantoka ny sakafo jifain'ny fiaraha-monina misy azy...
Maro ireo vokatsoa azo avy amin’ny saina tia karokaroka, saina liam-baovao na ny “curiosité”. Anisan’ny ampinga iray manampy ny olona iray izany mba hitombony, amin’ny maha-olona azy, hampihitatra ny fahaizany eo amin’ny sehatry ny fianarana, ny asa, ny fiaraha-monina, ny fikarohana, ny tontolo iainana ary ny fiainana ara-panahy sy ny fomba fisainana. Noho izany dia fitaovana manan-danja izy eo amin’ny maha-olona ary misy ny fitaizana sy fikolokolona azy mba ampivelatra sy ampiasaina azy tsara... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco