• Efa matipaika ny fandaminana ny fandraisana ny Jobily Nasionaly ao amin'ny Diôsezin'i Miarinarivo... • Tsy maintsy mitady ny very Andriamanitra, hoy ny Papa François, tamin'ny fandalinam-pinoana natolony ny alarobia lasa teo... • Masindahy Joany Paoly II, mpivahiny tsy mahalala sasatra tamin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly...
Mamokatra mangahazo 3 tapitrisa taonina eo ho eo Madagasikara araka ny tarehimarika ny taona 2022. Mahatratra eo amin’ny 7,5 taonina isaky ny hektara ny vokatra miakatra. Manodidina ny 4 hetsy hektara ny tany amokarana mangahazo eto amintsika. Natokana ho sakafon’ny olombelona ny ampahany amin’ny mangahazo eto Madagasikara. Ny 60 isanjato, manodidina ny 8 hetsy sy iray tapitrisa taonina kosa dia natao ho sakafon’ny biby fiompy...
Ny 23 avrily no andro fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny mpanoratra sy ny vaky boky. Efa misy fomba maro izao entina hanaovana ny vaky boky, indrindra vokatry ny fandrosoana ara-teknôlôjia. Isan'ny fitaovana manampy ny tsirairay hivelatra, hamantatra zava-baovao, afahana mampiana-tena, mampatoky tena manoloana ny olona, manampy amin'ny fahaizana manapa-kevitra... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Hiaro ny tombontsoan'i Lafrantsa eto Madagasikara no tena antony hahatongavan'Andriamatoa Macron eto amintsika, hoy ny mpitarika ny antoko Teza... • Hiakatra 47 % ny haba alain'ny fanjakana amin'ireo vokatra malagasy haondrana any Etazonia. Hiteraka fitotongan'ny fanondranan'i Madagasikara entana any ivelany io fepetra io, hoy ny Profesora Ralison Roger... • Nivondrona ao anatin'ny “Triade Syndicale” ny sendika telo eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka. Tsy azo ekena ny fitoriana ny mpitarika ny SISFIM, hoy ny sendikan'ny dokotera mpitsabo mpiasam-panjakana eto Madagasikara...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco