Alahady 14 desambra 2025 : Alahady fahatelo — Taona A : fiavian’ny Tompo - "ANDRASO AMIM-PITOKIANA NY TOMPO". Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho. Taratry ny fiainan'ny mpino maro ny niainan'i Joany Batista, maro no mihidy amin'ny tenany sy ny zava-boahary manodidina azy, toy ny olona ao an-trano maizina. Entanina isika kristianina mba ho fitaratra hahamora ny hidiran'ny hafa ao amin'ny Eglizy, ho fitaovana hitondra ny hafa ho ao amin'i Jesoa Kristy. Faherezana, fahatanjahana, faharetana, fialana amin'ny tahotra sy ny tebitebe no toetra tsara hananan'ny mpino manoloana ny fiainana feno ahiahy izao...
Miantoka ny fahatsarana sy fitomboan'ny vokatra ny fampiasana masomboly nohatsaraina, voafantina ary voamarina. Fampiasàna ny masomboly novokarina manokana sy voafantina ary voamarina no tena azo antoka amin'ny fahazoana vokatra tsara sy betsaka. Tena ilaina ny miverina amin'ny masomboly voafantina sy mampiasa ireo masomboly novokarina manokana raha tiana ny hitazona sy hampiakatra ny fahombiazana amin'ny famokarana atao...
Mihamafy ny andavanandrom-piainan'ny fianakaviana manoloana ny fahasahiranana isan-karazany, ny fahasarotana indrindra anefa no tokony vao maika hanosika amin'ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana ary ny fifanohanana. Ny fanantenana vokatry ny fifankatiavana dia manasongadina ny herin'ny fitiavana amin'ny fanomezana hery sy fanantenana eo amin'ny fiainana. Ny fianakaviana dia fiangonana kely mariky ny fanantenana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny fiafaran'ny fanirahana ny Fanahy Masina ao amin'ny asa Litorjika manontolo dia ny mampiray antsika amin'i Kristry mba handrafitra ny Vatany. Ny vokatry ny asan'ny Fanahy Masina ao amin'ny Litorjia dia tsy azo sarahina amin'ny firaisana amin'ny Trinite Masina sy ny firaisana maha-mpiray tam-po ara-pinoana. Ilaina ny vaomieran'ny Litorjia mba hampandroso ny finoana... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco