Ny tafika no nisantatra ny fanavaozana, nampitodika tamin'ny tantara nisy ny zava-mitranga ankehitriny, mampisy fanantenana ny fandraisan'andraikitry ny foloalindahy. Ilaina ny fahitsiana amin'ny asa aman'andraikitra tanan'ny tsirairay mba ho asa vita tsara sy andraikitra tontosa antsakany sy andavany. Tsara toerana koa ny "Dinam-piaraha-monim-pirenena" miohatra amin'ny Lalam-panorenena satria iry voalohany dia niainga teny ifotony ary mahakasika kokoa ny fiaraha-monina manontolo... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Tontolo tefen'ny reny mijanona ao an-trano mikarakara ny ankohonana no nanefy ny fitaizana taloha ; fa ankehitriny dia tontolo tefen'ny reny, miasa sy mivoaka ny trano, ary mandray anjara amin'ny asa fivelomana. Ny reny mijanona sy mpikarakara tokantrano dia tsy andraikitra mora fa isan'ny fototry ny fanabeazana, mikolo ny fanahy, vatana, saina mivantana ny zanaka... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny lahabolana "Kalo" na "kalokalo dia lahabolana atao an-kira, hirain'olon-tokana. Hira misy miolakolaka sy miangolangola mahaontsaontsa ; fahatsiarovana sy fiventesana an-kira ny embona sy alahelo ary hanina ny andro fahiny, mety ho fifaliana izany na alahelo atamberin'ny tadidy. Ny kalo madinika dia sombitsombin-tantara vetsoina, hirain'olon-drery, mampiseho alahelo sy embona ary hanina. Tsara ny manamarika fa ny karazan-kira mientanentana sy mampandihindihy ary tsy manetsika ny fo ho ontsaontsa dia tsy mba kalo na kalokalo...
… /… Raha misy ny andraikitra manan-danja indrindra eo amin'ny sehatry ny fampianarana dia anisany ny fisahanana ny fanadinam-panjakana. Samy manana adidy amin'izany, manomboka amin'ny Ray aman-drenin'ny mpianatra, ilay mpianatra hanala fanadinana, ny sekoly fianarany, fa indrindra ny Fanjakàna mpikarakara ilay fanadinana. Isan-taona dia narahin’ireo mpisehatra ireo maso dieny ny mbola am-piandohan'ny taom-pianarana hoe : rahoviana ny fanadinam-panjakana amin'ity taona ity, na ny CEPE, na BEPC na Bacc ?
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco