• Nankalazaina ny alahady 5 jolay 2026 ny Andron'ny Diosezin'i Mananjary... •Notanterahina nandritra ny telo andro tamin'ny herinandro lasa teo ny Antenimieran'ny tanora tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé... •Maniry ny hisian'ny fifampiresahana amin'ireo andrim-panjakana any Panama ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana...
Natomboka ofisialy tamin’ny alalan’ny atrikasa teny Anosy ny alakamisy 02 Jolay 2026 ny andiany fahatelo amin’ny fanangoanna ireo tsara ho fantatra mahakasika ny tontolon’ny fambolena na ny RGA3. Miantoka ny 30%n’ny hari-karena faobe ny tontolony ambanivohitra sy ny fambolena eto Madagasikara. Maherin’ny 75%n’ny Malagasy no misahatra sy manao asa fivelomana ny fambolena. Ny taona 2004 no nisy fanisana farany mahakasika ny tontolo ambanivohitra sy ny fambolena teto amitsika raha toaka isaky ny folo taona no tokony hanaovana izany...
Ny foto-teny ao amin'ny teny "Andraikitra" dia "raikitra" ary ao amin'ny "fitiavana" dia "tia" izany hoe "raikitra ny tia" midika fa raikitra amin'ny tena ny tia. Ankehitriny amin'ny fitenin-jatovo dia tsy dia fiteny loatra ny hoe "olon-tiako, vadiko" fa heno matetika ny hoe "Ankiziko", izany hoe mitaky andraikitra. Isika rehetra izay niroso tamin'ny fanambadiana dia efa nandray ho andraikitra ny fitiavantsika ny vadintsika... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara.
Tian'ny Konsily hambara fa Andriamanitra no fototra iombonantsika fa hoy izy hoe toa ny hazo ka mizarazara ny rantsany : Satria Andriamanitra RAY no fototra sy fiafaran'ny olombelona rehetra, noho izany dia antsoina ho mpirahalahy sy mpianadahy daholo ny olombelona rehetra. Rehefa tsy miray saina dia tonga ho azy ny fizarana sy fisarahana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco