Alahady 7 marsa 2021 — Alahady fahatelo amin'ny Karemy — Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 2, 13-25
Mila vehivavy salama sy matanja-tsaina ny ankohonana. Andry iankinan'ny tokantrano sy ny fiaraha-monina ary ny firenena ny vehivavy. Ireo fambara fa mikorontan-tsaina ny vehivavy na misy olana : Kizintina, mitaintaindava, fizana tsy amin'ny antony, tsy fahatsiarovan-tsaina mandalo, tsy fahitan-tory. Ny fandaminana ny fotoana no vahaolana amin'izany miampy ireo sakafo sy fihetsika dia ny fihinanana sakafo misy siramamy, fisotroana rano ary ny fifohana rivotra madio sy ara-dalana...
♦ Nahazo alalana ny tatitra hataon'ireo solombavambahoaka TIM eny amin'ny Magro Tanjombato rahampitso. Entina eto ireo fanazavana samihafa momba io hetsika rahampitso io... ♦ Tamin'ny Ditrikan'i Morafenobe no nisy ny ivon'ilay andro ratsy tamin'ny 3 ora tolakandro teo. Mbola mitohy ny oram-be amin'ny faitra maro, toy ny any Maintirano, Bongolava, hatrany Sofia...
Fambolem-bary ety afovoan-tany : mivaha ny olana amin'ny tsy fahampian'ny Faosifaoro. Andalam-panandramana ao amin'ny kaominina Ambanivohitra Behenjy, distrika Ambatolampy ankehitriny ny P-Dipping. Nisy ny fampisehoana ny fahombiazan'ity teknika ity ny 26 febroary teo...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco