Fambolem-bary ety afovoan-tany : mivaha ny olana amin'ny tsy fahampian'ny Faosifaoro. Andalam-panandramana ao amin'ny kaominina Ambanivohitra Behenjy, distrika Ambatolampy ankehitriny ny P-Dipping. Nisy ny fampisehoana ny fahombiazan'ity teknika ity ny 26 febroary teo... 

Olana mipetraka amin'ny nofon-tany ety afovoan-tany ny maha asidra be azy sy ny fisian'ny ôksidanà vy sy ny ôksidanà alimo ao aminy izay singa mihazona ny Faosifaoro tsy ho trohan'ny vary maniry ka tsy ahafahany mahazo ny faosifaoro sahaza azy. Ny faosifaoro izay isan'ny singa tena ilain'ny vary ahafahany mitombo tsara sy mamokatra ihany koa.

Fomba iray handonahana ny tanimbary ho an'ny ety anivon-tany ny teknika P-Dipping. Mifototra amin'ny fandomana ny fakam-bary amin'ny ranon-jezika misy faosifaoro mialohan'ny hanetsana azy na ny P-Dipping. Mampitombo haingana ny vary ambolena ny fampiasàna ny teknika. Mampihena atsasany ny zezika ampiasaina sy ny vola lany ihany koa. Mihafohy ny tsingerim-panirin'ny vary ary mahatohitra hain-tany ny voly vary ampiasàna ny P-Dipping.

Teknika tsotra azon'ny tantsaha ampiasaina tsara ny P-Dipping raha ny andrana natao tao amin'ny fokontany Ambohikambana, kaominina Behenjy, distrika Ambatolampy. Nitombo 20% hatramin'ny 30% ny voka-bary. Tsy tao Behenjy ihany no nanaovana andrana toa izao fa natao koa izany tany amin'ny kaominina miisa 05 hafa tany amin'ny faritra Vakinankaratra, dia ny tany Ambohibary, Antanifotsy, Faratsiho, Betafo Ary Ankazomiriotra. Mpamboly 300 isa no nosafidiana mba hampiantra azy.

 

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...