Araka ny lalàn'ny Eglizy, "code de droit canonique" tamin'ny taona 1983 ; ao amin'ny Canon 1083 § 1 dia voafaritra mazava tsara fa 14 taona ho an'ny vehivavy ary 16 taona ho an'ny lehilahy, ireo no taona kely sy ambany indrindra hahafahana miroso amin'ny mariazy. Raha sanatria ka lasa alohan'ireo taona faritan'i Eveka tompon-toerana dia tsy maintsy maka fahazoan-dalana manokana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
♦ Mety ho maro an'isa eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny depiote avy amin'ny lisitra tsy miankina, raha ny fironam-bokatra nivoaka. Tsy afaka hanolotra izay ho Praiminisitra anefa izy ireo, raha izany no misy... ♦ Manomboka mandray fitoriana momba ireo tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka ny HCC. Efa naharay fitoriana anankiray izy ireo androany... ♦ Nanaovana antso tolo-bidy ny Hôtel 5 Etoiles ety Ivato, ahafahana manokatra ity trano fandraisam-bahiny lehibe ity. Efa maro ireo namaly izany, hoy ny Minisitry ny Fizahan-tany sy ny Asa tànana...
29 mey 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 32-45)
Ny zava-maniry "tangena" no nanaovan- Dokotera RASAMIMANANA Joseph fikarohana ary nampisongadina azy tany ivelany ; tamin'ny faha-25 taonany no nanaovany tohon-kevitra mikasaika izany, nahafahana nitily sy nampiasa ny singa atao hoe "tanghinine" ao anatin'io zava-maniry io, indrindra ny vokany amin'ny fo. Tsindry nataon'ireo mpitondra sy tompon'andraikitra no tsy nahafahan'io dokotera io naneho ny fahaizany tamin'ny sehatra lehibe. Rehefa lasa zanan-tany Frantsay i Madagasikara vao voatendry hiasa tamin'ny "hopital" ny dokotera RASAMIMANANA Joseph. Ny fampiasana ny "lali-manga" ho solon'ny "Antibiotique" dia voka-pikarohana nampitolagaga ny maro ; havanana amin'ny fandidiana ara-pahasalamana koa izy...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco