♦ Nangataka ny hanoloana an-dRamatoa Isabelle Delattre, Masoivohon'ny Vondrona Eorôpeana miasa eto Madagasikara, ny fanjakana Malagasy, araka ny navoakan'ny gazety iray atsy Afrika... ♦ Miahiahy amin'ny ain-dRamatoa Christine Razanamahasoa ny fikambanana BAM. Tsy fantatra mazava ny toerana misy ity Filohan'ny Antenimieram-pirenena teo aloha ity, tao aorian'ny didin'ny HCC, hoy izy ireo androany... ♦ Niakatra ho 20% ny TVA alain'ny fanjakana amin'ireo orinasa amin'ny fifandraisan-davitra. Io no mahatonga ny saran'ny Internet eto amintsika ho lafobe, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa...
Ny fanabeazana ny lafiny ara-po, fitiavana eo amintsika olombelona. Ny saina no mahatonga ny olona hahay handanjalanja ny mety sy ny tsy mety. Ny fo dia afahantsika olombelona maneho fitia. Ny fihetseham-po dia tonga tsikelikely ao amin'ny olombelona, ary mitoetra sy maharitra ; ny fientanam-po dia tonga eo ny eo ary tsy mateza, izany hoe mandalo. Sarotra ny fanabeazana sy ny fandraisana ny fanabeazana raha vao tsy hay ny mifehy ny fientanam-po. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
3 aprily 2024 — Alarobia amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 13-35)
♦ Nitombo avo roa heny ny isan'ireo niditra teny amin'ny Hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona, nandritra ny andron'ny Paka sy ny omaly alatsinainin'ny Paka. Nitombo toa izany koa ireo naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana, hoy ny Seraseran'ny HJRA... ♦ Mbola miaina fanilikilihana eo anivon'ny fiaraha-monina sy an-tsekoly ireo manana toe-batana “autiste”. Nomarihana androany ny andro eran-tany ho an'ny zon'izy ireo... ♦ “Zandarimaria MAFI”, izay no lohahevitra voizina mandritra ny ny fanamarihana ny Andron'ny Zandarimaria, nanomboka androany...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco