♦ Hanohy fitsaboana eto Antananarivo ny SEG sy ny mécanicien. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo olona roa hafa... ♦ Tafakatra 36 ireo mpandeha hita faty tao anatin'ilay sambo Francia, rendrika tany Antsiraka... ♦ Nametraka fanambaram-pananana teny amin'ny HCC ireo mpikambana ao amin'ny CENI, androany...
Manomana ny tanora iray amin'ny maha-mpiandry ondry azy ny vontoatin'ny fiofanana manontolo. Misy andry efatra ny fiofanana maha-mpandraharaha masina : lafiny ara-panahy, ara-tsaina, maha-olona ary ny ara-pastoraly. Tsy misy azo atao mandringa ireo fa mandrafitra ny maha-mpiandry ondry araka ny hevitry ny Eglizy. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
♦ Tontosa androany teny amin'ny EKAR Trinite Masina Mangasoavina, ny Eokaristia Masina hitondrana ny Lakroa JMJ mankany amin'ny Diôsezin'Antsirabe... ♦ Nahatsiaro am-bavaka ny Papa Fraçois noho ny tsingerin-taona nahaterahany ny 17 desambra teo, ny tao amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Nanainga ny mpino rehetra ny Papa nandritra ny vavaky ny Angelus, mba haka tahaka an'i Masina Maria, hijery : ambony mandrakariva ary hamakivaky ny tontolo andro amin-kafaliana eo am-panampiana ny hafa...
Misy dingana telo lehibe ny fanomanana ny sinaodin'ny eveka faha-16 : ny fakan-kevitra ny vahoakan'Andriamanitra any amin'ny Eglizy fototra izay entina eo anivon'ny Fivondronam-ben'ny Eveka, ny fandinihan'ny eveka eo amin'ny kontinanta ary ny fivoriam-ben'ireo eveka solo-tena any Roma. Fanazavana entin'i Ramatoakely Miora Rakotonirainy, Ekipa nasionaly mpandrindra ny sinaody.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco