Mifandray amin'ny loha-hevi-dehibe voizina ao anatin'ny fandaharana "miaina sy mitia" mandritra ity taona 2024 ity ny loha-hevitra resahina eto. Antoka iray mahatonga fahasambarana sy firindràn'ny fianakaviana ny fandraisana andraikitra sy fanomezan-danja ny tsirairay ao anaty fianakaviana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara sy ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fianakaviana...
Vahaolana amin'ny fifanoherana ny fifampiresahana satria miova isaky ny olona sy arakaraky ny taona ny toetra amam-pihetsiky ny olona iray. Ny toetrandro miova fa tsy miova ny tsara ka mila alalinina isan'izany ny mahatsara an' Andriamanitra. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
♦ Niakatra fampanoavana tampoka teny Anosy androany, Andriamatoa Mbola Rajaonah. Naverina eny am-ponja izy, miandry ny fitsarana azy amin'ny 20 febroary 2024, raha tokony efa hivoaka ny fonja mialoha io daty io... ♦ Efa ahitana trangan'ilay aretimaso “conjonctivite”, ny sekoly sasany ao an-drenivohitra amin'izao. Miverina amin'ny fampiharana ny fepetra fisorohana ara-pahasalamana, ireo sekoly tsy miankina, nanomboka androany... ♦ Miato ny fampianarana any amin'ny DREN Diana, noho ny faharatsian'ny toetry ny andro. Mamely mafy any an-toerana ny orambe sy ny tafiotra, efa ho roa andro izao...
Rehefa tsara ny safidy ataonao, tsy maintsy tsara ny fiainanao. Fahasoavana lehibe sy fahatsaram-piainana ny vokatry ny safidy tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco