♦ Toe-po telo no takian'izao fankalazana izao, hoy i Mgr Jean Pascal, omaly nandritra ny fankalazana ny taon-jobily faha-160 taona nitoriana ny finoana an-kalalahana teto Iarivo... ♦ Efa an-dalana ankehitriny, ny fanadihadiana ny hanandratana ho olomasina an-dRamose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny kristianina ny Papa, nandritra ny vavaky ny Angelus omaly, mba tsy hihevi-tena ho sangany...
♦ Fanamasinana ho pretra sy ho diakra, fankalazana ny taom-bolafotsin'ny FFVA, ary fitsofan-drano ireo mpitarika APV : ireo no hanamarika ny ivon'ny fankalazana ny faha-160 taona nitoriana an-kalalahana ny finoana teto Iarivo, amin'ny alahady 26 septambra izao... ♦ Nomarihana tamin'ny faran'ny herinandro teo ny fetin'ny Lakroa Masina, mpiaro ny Aumônerie Catholique Militaire ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina... ♦ Namoaka ny laharana voalohany amin'ny tahirin-kevitra siantifika "Ilon-tsaina" ny Ivon-teorana Arrupe eny Faravohitra, eo ambany fiahian'ny Fikambanan'i Jesoa...
Isika tsirairay avy no biriky mandrafitra ny rindrin'ny tranom-pahavanonana. Aoka harisika isika hanao jeritodika ny tontolo androm-piainana ary entina ao amin'ny vavaka izay atao amin'Andriamanitra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ "Mila ezaka ny fiainana ny voady", io no hafatra napetraky ny Lehiben'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, nandritra ny voady notononin'ireo frera 22 mirahalahy... ♦ Nandefa hafatra, manentana ny rehetra hihavana amin'ny voaary i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Ny fitoviana ao amin'i Kristy dia mandrava ny endri-pahasamihafana rehetra, hoy ny Papa François nandritra ny "Audience générale"...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco