Notontosaina ny alarobia 8 septembra 2021 ny voady voalohany nataon'ireo Novisy Salezianina miisa 22 mirahalahy. Notanterahina tao Ivato, "Notre Dame de Clairvaux" izany fankalazana izany. Nanomboka tamin'ny 8 ora sy sasany maraina ny Sorona Masina izay notarihin'ny Mompera Bizimana Innocent, lehiben'ny Fikambanana Salezianina eto Madagasikara sy ny nosy Maorisy. Teny manentana azy 22 mirahalahy ny hoe : "Ho voninahitra ho an'ny Raiko raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro" (Joany 15, 8).
Mba hampirindra ny fiainana ao an-trano dia ilaina ny teny fampirisihina eo amin'ny mpivady sy ny mpianaka. Ny fanaovana jeritodika ny tontolo andro dia zava-dehibe amin'ny fiainana ary ampidirina amin'ny vavaka hatao. Mirindra ny fiainana rehefa miaraka miatrika an'Andriamanitra ny mpianakavy. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ "Tranobe ho an'ny rehetra, andeha havaozintsika ny tranon'Andriamanitra", io no lohahevitry ny fahatsiarovana ny "Taonan'ny fahariana", ny 1 septambra ka hatramin'ny 4 ôktôbra 2021... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'Ihosy ny sary famantarana an'i Masina Maria niseho tany La Salette, nanomboka ny 28 aogositra 2021... ♦ Hotanterahana any Budapest, Hongrie, ny Kôngresy Eokaristika iraisam-pirenena, manomboka ny 5 hatramin'ny 12 septambra 2021...
Ny sabotsy 31 jolay 2021 tamin'ny 2 ora sy sasany folak'andro lasa teo, oran'ny Roma, no notanterahana ny fivoriambe nataon'ny tompon'andraikitry ny MSJ (Mouvement Salésien des Jeunes) na Firohotan'ny Tanora Salezianina maneran-tany, izay niarahan'izy ireo tamin'i solontenan'ny pastoralin'ny tanora sy ny mpandrindra an'ity MSJ ity. Araka ny atontan'isa dia nahitana mpandray anjara miisa 130 tamin'ity fivorianam-be ity.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco