Ny anarana "tanàna" dia misy hatrany ny tantara mifamatotra aminy. Ny famoronana anarana "toerana na tanàna" dia mifototra amin'ny finoana, izany hoe faniriana soa sy fanambinana ka ao anatin'izany ny fahasalamana, harena ary ny fitiavana. Misy fomba maromaro nanomezana anarana toerana iray ; milaza "isa", miresaka "tany, loko, vato, rivotra, rano" ; milaza "foto-drafitr'asa" ; manambara fampitandremana ; mampisongadina zava-maniry. Fandaharana "Filira" sokajy Riba.
Notsiahivin'ny Papa François indrindra ny fampianaran'i Jesoa hoe : ny voany no hamantarana ny hazo (Lk. 6, 44) " ny olona tsara dia mamoaka izay rakitra tsara ao am-pony fa ny olona ratsy kosa dia mamoaka izay ratsy avy ao am-pony, dia izay be ao am-pony no aloaky ny vavany". Noho izany raha te hanana fiseraserana tsara dia tsy maintsy manadio ny fo. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
♦ Nankatoavin'ny Papa François ny fangatahan'ny Arsevekan'Antananarivo, hitsahatra amin'ny fitantanana ny Diôsezin'Antananarivo ; ka notendren'ny Ray masina handimby azy, i Mgr Jean de Dieu Raoelison... ♦ Notontosaina omaly ny fizakana ny Seminera Zandriny Ambohipo, ary nanentana ny kristianina rehetra izy ireo, fa maro tokoa ny ezaka izay hatao amin'ny fanabeazana ireo izay ho pretra rahatrizay... ♦ Hotanterahana ny alahady ho avy izao ny fankalazana iombonana ny Sakramenta Masina, eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, eo amin'ny Kianjan'i Masina Misely Amparibe...
Nankatoavin’ny Papa François ny fangatahan’i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona hitsahatra amin’ny fitantanana ny Arsidiôsezin’Antananarivo ary notendrena handimby azy i Mgr Jean de Dieu Raoelison, Evekan’Ambatondrazaka.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco