Ny fahatsiarovana ny maha olom-pirenena vanona dia mitondra fahatsaram-piainana sy fivoarana ary fandrosoana ao anatin'ny filaminana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Sahiran-tsaina ny ray aman-dreny ny amin'ny fiainan'ny tanora 18 hatramin'ny 21 taona, manoloana ny fitiavana. Misy ny fironana mampiahiahy ankehitriny ny amin'ny fiarahan'ny olon-droa mitovy fananahana. Tokony hanitsy ny fiheverany ny tanora fa tsy ny firaisana ara-nofo no tena atao hoe porofom-pitiavana. Betsaka ny tanora no manambany ny tenany ka mahalaza manao hoe : ratsy tarehy izy. Ho an'ireo +18 : Ny fidirana amin'ny sehatry ny fitiavana dia tsy midika hoe tara fa kosa manana fotoana kokoa aza handinihana ireo tokony hatao. Tsy voatery ho fahadisom-panantenana no manosika ny tanora hifankatia mitovy fananahana, isan'ny antony ireny ny fomba fanabeazana ireo tanora ao an-trano na eny amin'ny fiaraha-monina.
Alarobia 22 febroary 2023 — Fanosorana lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6, 16-18)
♦ Hiditra ao amin'ny Distrikan'i Mananjary, afaka ora vitsy ny foiben'ilay rivodoza Freddy. Tany amin'ny 70 km avaratra atsinanan'i Mananjary ny nisy ny foibeny tamin'ny 6 ora hariva teo... ♦ Niroso tamin'ny famindram-pitantanana ireo Minisitra vaovao sy ireo teo aloha, tao aorian'ny fanovana mpikambana vitsivitsy teo anivon'ny Governemanta... ♦ Ahiahiana hiverina ao amin'ny Faritra Vatovavy sy i Fitovinany indray ilay valan'aretina FVR mpahazo ny omby aman'osy ary ny ondry. Misy aretin-koditra mahazo ny omby ihany koa any amin'ny Faritra Diana...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco