Tontosa tao amin'ny Centre Notre-Dame de Clairvaux Ivato ny Kongresy faha efatry ny Salezianina Koperatera eto Madagasikara sy ao amin'ny Nosy Maorisy, ny 29 oktobra hatramin'ny 03 novambra 2019 lasa teo.
Ny fahavanonana dia tsy maintsy miainga amin'ny fanajana ny tenananao aloha no voalohany, avy eo dia mipaka amin'izay manodidina anao izany. (30-10-2019)
Famantarana hita maso maneho ny maha-iray ny finoana ny Papa Ray masina, ao amin'ny Fiangonana katolika. Ambaran'ny ny fampianaran'ny Fiangonana fa dimbin'i Piera Apostoly izy.
Mandritra ny vola jona isika dia manaja manokana ny Fo Masin'i Jesoa. Ilay Fon'i Jesoa, voatrobaky ny lefona tamin'ny zoma masina ; Fo Masina misokatra, mivaivaim-pitiavana, mampitobaka amintsika amin'ny alalan'ny rà sy ny rano, ireo fahasoavana manadio.
♦ Tontosa omaly ny fankalazana ny fetin'ny Seminera Zandriny Ambohipo, sady nanolorana ihany koa ny solom-pen'akoho ho an'ireo seminarista teny an-toerana... ♦ Fanehoana kanto ara-panahy sy famelabelaran-kevitra no nampiavaka ny fankalazana ny Andron'ny Tenin'Andriamanitra, tamin'ny sabotsy 21 janoary 2023, nanoloana ny Librairie Saint Paul Analakely... ♦ Nanatontosa ny fitsidihana pastôraly tao amin'ny Diôsezin'Ambanja, tao amin'ny Fiangonana Masindahy Pierre sy Paul, Nosibe Hellville, i Mgr Donatien Francis Randriamalala, tao aorian'ny fanamasinana azy ny 15 janoary 2023...
Tohiny...Mitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika, amin'izao fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Mpamonjy izao, i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2023 Radio Don Bosco