Notendren'ny Papa François androany, ho Evekan'ny Diôsezin'Ambanja, i Mompera Donatien Francis Randriamalala, pretra avy amin'ny fikambanana Missionnaires de Notre-Dame de La Salette.
Zava-dehibe eo amin'ny singa maha-olona ny safidy ka tsy azo tsinotsiniavina. Noho izany dia mila saina mahay mandinika sy malina tsara eo am-pandraisana safidy satria ny fiantraikany tsara na ratsy vokatry ny safidy natao dia mety hoenti-maty na ho an'izay nanao azy na ho an'ny hafa ihany koa... Fandaharana "miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Marina ny voalazan'i Jesoa fa maro ireo mivavaka ao anatin'ny fihatsarambelatsihy fotsiny. Izany hoe mivavaka amin'ny lalàna sy ny fisehosehoana ety ivelany. Ireo tenin'i Jesoa sy traikefa nananany dia efa ampy mahafaoka ny "fanompoana andrimanitra tsy izy". Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
♦ Mbola tsy misy daty raikitra hatramin'izao ny dinika faharoa momba ny "Iles Éparses". Ny fiovam-pitantanana teo anivon'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Malagasy, no anisan'ny antony mbola tsy naharaikitra izany... ♦ Olona maherin'ny 30000 no tratran'ny kere any amin'ny Distrikan'i Manakara, raha ny tatitry ny Solombavam-bahoaka avy any an-toerana. Tsy nisy ny vokatry ny tantsaha, noho ny fandalovan'ny rivodoza sy ny hain-tany... ♦ Hampiantrano ny fifaninana iraisam-pirenena eo amin'ny taranja Hand-ball "UHF-Trophy" i Madagasikara ny 24 hatramin'ny 27 nôvambra 2022...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco