♦ Mbola tsy misy daty raikitra hatramin'izao ny dinika faharoa momba ny "Iles Éparses". Ny fiovam-pitantanana teo anivon'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Malagasy, no anisan'ny antony mbola tsy naharaikitra izany... ♦ Olona maherin'ny 30000 no tratran'ny kere any amin'ny Distrikan'i Manakara, raha ny tatitry ny Solombavam-bahoaka avy any an-toerana. Tsy nisy ny vokatry ny tantsaha, noho ny fandalovan'ny rivodoza sy ny hain-tany... ♦ Hampiantrano ny fifaninana iraisam-pirenena eo amin'ny taranja Hand-ball "UHF-Trophy" i Madagasikara ny 24 hatramin'ny 27 nôvambra 2022...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...