♦ Nitrangan'ny fanafihan-dahalo mahery vaika indray tany Bebozaka, Kaominina Itody, Distrikan'i Miandrivazo any amin'iny Faritr'i Menabe iny. Olona efatra no ataon'ny dahalo takalon'aina ary trano 53 tafo no may kila forehitra... ♦ Asa fanaovan-gazety, nanolotra ny fitantanana ho an'ny Filohan'ny holafitra vaovao, Rasoloarison Monica ny Filohan'ny holafitra teo aloha. Ho fiarovana ny asa fanaovan-gazety no antony, hoy i Rakotonirina Gérard...
Miseho amin'ny endrika samihafa ny tahotra ao amin'ny tanora : tahotry ny tsy misy mihaino, tahotry ny tsy ho tiana, tahotra tsy ahomby, tahotra ny tsy ho fantatra. Mankahery ny tanora i Papa François fa mamela antsika hanana fo sy saina hikaroka mandrakariva i Jesoa, saina afaka mandalina sy fo hahay hifampitsinjo. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Alahady 24 oktobra 2021 — Alahady fahatelopolo mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 46-52
Tamin'ny sabotsy 16 oktobra 2021 no nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny sakafo, indrindra ny ara-pahasalamana. Hita fa manana olana amin'ny lafiny fisakafoana ny olona ankehitriny. Ny atao hoe sakafo ara-pahasalamana dia voalanjalanja, mifanaraka amin'ny filàn'ny vatana sy ny asa andavanandro. Tao anatin'ny dimy na enina taona izay dia nampidirin'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka tao anatin'ny tatitra fanaon'ny isam-bolana ny antotan'isan'ny olona tratry ny fahalebiazana loatra...
Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny. Teraka ny 23 novambra 1974 tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco